4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tena tiako ianao - Mage 4

Na manomboka maizina ny andro
Aleo hijanona eto ihany
Eto anilanao eto aho mafanam-pitia
Ampy safosafo
Sambatsambatra anie
Izay tiavinao
Fantatrao ihany fa ...

Tsy mba manana tiana
Toa anao anie aho
Ianao ilay tiako hatrizay ka hatrizao
Ka avelao hitia
Anao mandrakizay
Tena tiako ianao
Ary ianao koa tia ahy

Sadaikatra aho
Ny hanambara
Fa mahasaro-piaro ahy
Ianao sangin'olon-kafa iny
Mankarary ahy
Sambatsambatra anie
Izay tiavinao
Fantatrao ihany fa ...

Tsy mba manana tiana
Toa anao anie aho
Ianao ilay tiako hatrizay ka hatrizao
Ka avelao hitia
Anao mandrakizay
Tena tiako ianao
Ary ianao koa tia ahy

Partager tena tiako ianao

Commenter tena tiako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite